Canalblog
Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

kristiana.com: mitory an'i Jesoa Kristy

18 juillet 2014

HO AN’NY OLONA REHETRA NY FAMONJENA


ASAN’NY APOSTOLY 13:44-48
Ny famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany

1-Mandrindra ny asa fitoriana ny Tompo

Manambara ny fandrindrana ny fitoriana ny filazantsara ny Tenin’ Andriamanitra . Atomboka amin’ny jiosy ny fitoriana ary tsy maintsy mipaka any amin’ny jentilisa ( Asa 13:46 Mat 10:6 Asa 1:7 Mar 16:15) .Tsy misy olona voatokana ho very mandrakizay . Fikasan’ i Jesoa ny famonjena ny olona rehetra . Miankina amin’ny fandraisan’ny olona na tsia ny Tenin’ ny Tompo ny famonjena azy . "Tsy sitrany ny hahafatesan’ny ratsy fanahy , fa mba ho velona " (Eze 18:23). Torina hatrany ny Filazantsara , fa tsy afa- miandry izay tsy mino . "Mitodika mankany amin’ny jentilisa izahay "hoy i Paoly , rehefa nanenjika azy ireo ny Jiosy .

2-Mampandroso ny Fitoriana ny fanenjehana

Manafaingana ny fihitaran’ny Filazantsara ho any amin’ny jentilisa ny fanenjehana ny Apostoly sy ny tsy finoan’ny Jiosy an’i Jesoa , ka indro mitodika any amin’ny jentilisa izahay (and 46b) . Raisina ho fitaovam-pahombiazana ny loza sy ny olana mitranga eo amin’ny asan’ny Tompo . Nanjary fifaliana sy fiadanam-po ho an’ny Apostoly ny fanenjehana nihatra taminy . Feno fifaliana sy ny Fanahy masina ny mpanara-dia an’i Jesoa . Tsy mitsahatra ny asa ho famobjena hatrany amin’ny faran’ny tany " (and 47,Isa 49:6). Manavotra izao tontolo izao ho azy manontolo amin’ny asa fitoriana i Jesoa , satria izay mino an’i Jesoa irery ihany ny hovonjena (Asa 18:31 ; Rom 19:10).

Publicité
Publicité
Fandraisana

Mihamaro ireo pejy kristiana ato amin’ny Internet. Tsy vitsy amin’izy ireny no manampy betsaka antsika mba hiroborobo amin’ny finoana sy ny fiainam-bavaka. Na tsy misy antontan’isa mazava aza eto am-pelantanana dia heverina fa tsy vitsy ireo “ondry niverina ao am-bala” vokatry ny fitoriana ataon’ireny “sites” ireny.

Tsikaritra anefa fa mbola vitsy ireo tranonkala kristiana amin’ny fiteny Malagasy. Hameno izany tsy fahampiana izany indrindra no atony nanosika anay hanao izao “site” izao. Antenaina fa hanampy anao hiorina amin’ny finoana izy ity satria izany indrindra no tanjonay.

Ho hitanao ato mazava ho azy ireto: mofon’aina, fampianarana, fijoroana vavolombelona, rohy samihafa sns. Koa mirary fitsidihana mahafinaritra ary!

Publicité
kristiana.com: mitory an'i Jesoa Kristy
Archives
Publicité